TENY FANOLORANA - Hafatry ny Filoha mpitarika ny FKMR

Tonga soa Tompoko !

An-kafaliana no andraisako anareo tsirairay tonga mitsidika ity tranon-kalam-pifandraisana FKMR ity. Mahazoa toerana àry, aza misalasala mitsidika ny efitra rehetra.

Etsy ange e, nijoro ny FKMR ny taona 1985.

Ny foto-kevitra ijorony ve ?  Tsy inona fa ny fiainana ny Finoana sy ny fandàlana ny kolontsaina maha Malagasy.

Fehiny ?  Azo adika tsotra hoe sady Malagasy isika no Kristianina.

Ny teny manentana ahy no tianao ho fantatra ?

Ny Tenin’Andriamanitra nalaina tao amin’ny Salamo 71; 6-9, azonao vakiana raha maha-liana anao. Io no isarihako antsika hiaraka hitambatra ao @ Kristy, ho entina hanatanteraka  izany foto-kevitra maha-malagasy sy maha-kristinina izany.

Koa manainga antsika rehetra hampitombo  ny Finoana sy handala ny Fihavanana Malagasy.

Andao hiara-dia !

Fkmr - Taona Pastoraly 2023/2024

Lamesa

Ireto avy ny andro hananantsika lamesa eto Lyon

Alahady 14/01/24

Lamesa ao amin'ny PRADO

"ALAHADY FAHA-2 mandavantaona — B"

  • SAMY NANTSOIN’ANDRIAMANITRA TSIRAIRAY ISIKA
  • Tononkira fidirana
  • Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo Indrindra.Sal. 65, 4
  • Adiresy : 17 Rue Père Chevrier - 69007 Lyon
  • Lamesa manomboka amin'ny 11 ora maraina

Alahady 11/02/24

Lamesa ao amin'ny PRADO

ALAHADY FAHA-6 mandavantaona — B.

  • SITRANA NY BOKA
  • Tononkira fidirana
  • Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.Sal. 30, 3-4
  • Adiresy : 17 Rue Père Chevrier - 69007 Lyon
  • Lamesa manomboka amin'ny 11 ora maraina

Alahady 14/04/24

Lamesa ao amin'ny PRADO

" 3ème Dimanche de Pâques (semaine III du Psautier) — Année B"

  • C’est lui qui obtient le pardon de nos péchés et de ceux du monde entier (1 Jn 2, 1-5a)
  • Adiresy : 17 Rue Père Chevrier - 69007 Lyon
  • Lamesa manomboka amin'ny 11 ora alina

Sata

E.A.P (Équipe d’Animateur Pastorale)

Ekipa mpiara-dia sy mpiara-miasa akaiky amin’ny Aomônie mba hahatontosàna ireto tanjona manaraka ireto :

  • fampitàna ny finoana amin’ny alalan’ny fampianarana katesizy sy fanentanana ny mpikambana rehetra hamonjy ny fihofanana isankarazany.

  • fankalazàna ny finoana amin’ny fanentanana ny mpikambana hamonjy ny lamesa sy handray anjara amin’izany isakin’ny alahady faharoan’ny volana.
  •  fiainana ny finoana amin’ny fiahiana ara-tsosialy sy koltoraly ny mpikambana na ny tsy mpikambana ao amin’ny FKMR. (Toe-tsaina misionera)

Hafatry ny Aumonier

Mompera Aumonier Fkmr

Père Benjamin RABEMANANTSOA

Aumônier FKMR Lyon

Ny FKMR (Fiangonana Katôlika Malagasy eto Rhône) dia ankohonam-piangonana izay sehatra natao ivelomana ny finoana sy ny fihavanana Malagasy!

Tsy ankohonana manirery akory fa miara-miaina sy mifanerasera ary misokatra amin’ny sokajin’olona rehetra. Izany no namoronana ity tranokalam-pifandraisana: www.fkmr-lyon.fr ity. Natao indrindra izany hanampy antsika hifanerasera misimisy kokoa sy hahafantatra ny antom-pisiany, ny tanjona tratrariny, ny mpikambana ao aminy, ny ezaka ataony,…

Natao ihany koa hiandrasana izay fanatsaràna sy fanamarihana ary fanampiana avy amintsika!!

Mirary antsika hahita vokatsoa sy hazoto hamangy ato!

------------

La FKMR (Église Catholique Malgache du Rhône) est une communauté ecclésiale qui permet à vivre la foi et le fihavanana (solidarité) malgache !

Ce n'est pas une communauté solitaire mais vit ensemble, interagit et est ouvert à tous. C'est pourquoi ce site a été créé : www.fkmr-lyon.fr. Il est conçu pour nous aider à communiquer davantage et à connaître le but de la FKMR, ses objectifs, ses membres, ses efforts,…

Nous attendons également avec impatience toutes les améliorations, commentaires et soutien de votre part !!

Je vous souhaite une bonne visite !

Sampana

Vovonan'ny Zokiolona

Vovonan'ny Zokiolona

Mijoro eto anivon'ny FKMR Lyon ny Vovonan'ny Zokiolona. Izany dia natao afahana mifanampy sy mizara ny traikefa nananan'izy ireo ao anatin'ny finoana sy fiainana ny Evanjely. Zava-dehibe ho amin'ny fampitana finoana izany.

Vovonan'ny Tanora

Vovonan'ny Tanora

Mamondrona ny tanora 12 taona no mihoatra eto anivon’ny Ankohonam-piainana FKMR. Miezaka miaina ny finoana mifototra amin'ny Vavaka, ny Tenin'Andriamanitra, ny fandraisana sy fïainana ny Sakramenta ary ny fïtiava-namana.

Vovonan'ny Lehilahy

Vovonan'ny Lehilahy

Ny Vovonan'ny Lehilahy Katôlika eto Lyon dia sampana ivondronan'ireo Lehilahy rehetra eto anivon'ny Ankohonam-piangonana FKMR. Mandray anjara lehibe izy ireo amin'ny fanentanana sy fandaminana ary ny fampielezana ny Finoana.

Chorale

Chorale

Vondrona mahatoky sy miezaka miaina ny Evanjely, manampy hivavaka sy mitory izany an-kira. Mpanentana ny fiainana ara-litorjika ary mankamamy ny fiarahana sy fiderana an'i Kristy Mpanjaka. Miaina ny finoana ary ny fampianaran'ny Eglizy.

FIPRESEMA

FIPRESEMA

Vondrona voatokana, pretra, relijiozy lahy sy vavy, seminarista nanolo-tena ho an’Andriamanitra. Mpitantana sy mpanabe ara-pinoana, vavolombelon’i Kristy amin’ny fanompoana ny Fiangonana.

Vovonan'ny Ankizy

Vovonan'ny Ankizy

Mamondrona ny ankizy rehetra latsaky ny 12 taona eto anivon'ny Ankohonam-piainana FKMR. Miara-paly, mivavaka, mihira ary mino an'i Kristy. Miaina sy mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Sosialy

Sosialy

Ny Sampana Sosialy dia miandraikitra ireo asa sosialy rehetra eto anivon'ny ankohonam-piangonana Katôlika eto Lyon. Efa maro ny hetsika natao nentina nanampiana ireo tanora mpianatra.

Sampana St-Étienne

Sampana St-Étienne

Ny Sampana Saint-Étienne dia ivondronan'ireo mpino Katôlika monina any an-toerana. Manana anjara feno eto anivon'ny FKMR izy ireo isan'izany fanatontosana ny lamesa famaranana ny taona.

Ireo mandrafitra ny birao

Maro ireo Kristianina no vonona sy nanolo-tena handrafitra ny fitantanana eto anivon'ny FKMR Lyon. Taorian'ny fifidianana dia ireto avy izy ireo rehefa avy nohankatoavin'ny Pretra mpiahy :

Mr Onilaza ANDRIARINOSY

Filoha

Izy no Filoha mpiandrakitra ny FKMR et Lyon nanomboka ny Alahady 14 Novambre 2021

Ireo mpikambana mandrafitra

ny biraon'ny FKMR

Tanjona ny hampivelarana ny finoana, ary hitarihana ireo namana hiara-hanompo.

Ny Vaovao

Ireo tsara ho fantatra sy ny fiainam-piangonana eto anivon'ny FKMR Lyon sy ireo vaovao tapa-tapany maneran-tany

Hafatry ny Papa Ray Masina

JMJ Lisbonne 2023 « Marie se leva, et s’en alla en hâte » (Lc 1, 39)

Histoire de la FKMR

En 1980 Lors de notre installation sur Lyon, la communauté catholique était déjà constituée par quelques étudiants et quelques familles dont les PRIVAS et les GOUDRON entre autres pour ne citer qu’eux car ils font partie de l’histoire de notre communauté. Nous célébrions la messe avec La Pastorale des migrants : avec les africains, les réunionnais et autres communautés à divers endroits de l’agglomération lyonnaise, Villeurbanne, La Duchère, Vaulx en Velin.En 1981-1982 : La pastorale des migrants nous a présenté le Père Gérard, un prêtre vazaha qui a vécu longtemps à Madagascar et à partir de ce moment on a pu avoir la messe en malgache.Et comme les prêtres et religieux ont leurs réseaux, la sœur Félicité du Cénacle et les frères Elie et Raymond du Sacré Cœur sont venus renforcer l’équipe pastorale.La même année le Père Peltereau-Villeneuve dit Beloha de Toulouse, un ancien prêtre de Madagascar, était en train de constituer la UFCCMF (Union Fédérale des Communautés Catholiques Malgache de France). Il nous a contactés pour faire partie de cette communauté.La présence du Père Gérard et des religieux parmi nous a renforcé la fondation de la communauté du coté spirituel. D’autant plus que cette année-là il y a eu une grosse vague de nouveaux étudiants sur Lyon dont une majeure partie venait d’écoles catholiques.Nous nous rendions compte qu’il n’y avait pas que le coté spirituel, mais aussi la culture malagasy à entretenir quand on est loin du pays et des siens. Nous avons donc constitué un groupe pour réfléchir comment concilier être catholique et malgache en France. J’ai été alors élu pour être le responsable de ce groupe.C’est en 1985, sous la présidence de Mme Rabary-Razanamazava Marilyn qu’est né officiellement en tant qu’association loi 1901 la FKMR (Fiangonana Katolika Malagasy eto Rhone) ou ACMR (Association des Catholiques Malgaches du Rhone)C’est depuis cette année-là et jusqu’à aujourd’hui que divers Présidents et bureaux se sont succédés pour diriger la FKMR

Il y a eu plusieurs évènements et activités pendant les 15 premières années de la FKMR :
Le père Gérard a été nommé aumônier de la communauté catholique malgache de Lyon
En relation avec la Paroisse Immaculée Conception de Grand Clément dont on dépendait, nous avons pu avoir la chapelle Bonneterre de Villeurbanne pour les messes bimensuelles et où ont été célébrés des baptêmes, des veillées de Noel … et où on avait le repas familial du 4e dimanche
Les Pères Debré, Sabin, Trisoka, Célestin, Jean de la Croix, Hugues… et d’autres prêtres se sont succédé pour nous accompagner dans cette chapelle.
Autres activités : weekend de formation pastorale pour les membres du bureau, recollection pour la communauté
Visite de lieux saints : Ars, Lalouvesc
Pique-niques familiales
Réception de réunion des délégués des communautés Est-Sud Est
Participation aux divers Zaikabe (Nancy, Paris, Paray les Monial, Redon, Toulouse …)
En tant qu’association et pour financer les diverses manifestations et sorties, on organisait des soirées familiales ou «Bal des Cathos » qui étaient des références en ce temps là puisqu’on venait distribuer les invitations au domicile des invités et lors des soirées les convives venaient habillés : costumes cravates pour les hommes.
Des moments important dans la vie de la FKMR étaient l’année du 10eanniversaire en 1995 :
Pèlerinage à Lourdes
Concert de chants liturgiques de la chorale FKMR avec celle de la FPMA et une chorale Gospel
Le 5 mars 1995, jour clé de cette année de célébration du 10eanniversaire, il y a eu un diner spectacle de chants, du folklore de plus de 3h et dont la préparation a duré plus d’un an
Sur la base de ce spectacle nous avons pu nous produire dans plusieurs paroisses de la région pour des œuvres caritatives

Adiresy sy fifandraisana

Tsara marihina fa ny lamesa dia isaky ny alahady faharoa ny volana. Io no fotoana hiaonana sy hiarahantsika miombom-bavaka. Aoriana ny lamesa dia misy ny sakafo iraisana.